Ho malalanao
Rédigé le Jeu 27 Sep, 2007 07:35:39 
Atolotra ho an'ireo tia ny namany rehetra fa tsy sahy miteny. ;)
HO MALALANAO
Toa vao haingana ihany no nahalalako anao
Fotoana fohy ihany hatramin'izao
Nefa tsy nifankafoy nifampiankin-doha
Mpinamana mahafatra-po
Na ny manodidina aza efa mananihany
Indraindray toa mahatonga saina ihany
Hoe izay misy anao dia tiako hisy ahy hatrany
Tsy mahafoy anao, marina izany
Fa efa zatra anao, zatra miaraka aminao
Efa zatra namanao
Ka ny ho malalanao, io indray no mba iriko
Ka ho malalako amin'izay no iantsoako anao
Mierikerika foana raha vao mandeha irery
Mitady anao sao lahy mba eny ho eny
Na ny nofiko aza rehefa matory
Raha vao tsisy anao dia manorisory
Rehefa iny ao oriory tsy mety izay atao
Misava avokoa raha vao antsoinao
Reo oram-pifaliana indray no hahatsapana
Fa tsy feno mihitsy raha vao tsy eo ianao
Fa efa zatra anao, zatra miaraka aminao
Efa zatra namanao
Ka ny ho malalanao, io indray no mba iriko
Ka ho malalako amin'izay no iantsoako anao
nary - 'Zay (IX 07)
Tonony fotsiny aloha fa mbola tsy nivoaka ny raki-kira.
NO PIRATE. Mdr ;)
Antananarivo am-pitiavana
Rédigé le Mar 07 Aoû, 2007 00:08:01 
Rehefa avy niodina kely tany Atsimo dia niverina eto Tanà ndray, dia mba miala sasatra, miala voly ... mijery fety
Isan'ny mpihira tena tiako
Mampihomehy foana ...
Samy bandy kely.

Miara-mihira
Kôfrôka
Rédigé le Ven 03 Aoû, 2007 15:26:31 
Rehefa avy mandeha alavidavitra dia tsy misy afa-tsy sary no voan-dàlana ... tany atsimotsimo tany ... Ihosy, Ranohira, Sakaraha, ...
Eny an- dàlana

Somary efa manomboka maina ny tany any


Feno ankizy kely avokoa zay tanàna rehetra aleha.