permalien Ho malalanao

Rédigé le Jeu 27 Sep, 2007 07:35:39 Ajouter un commentaire

 

Atolotra ho an'ireo tia ny namany rehetra fa tsy sahy miteny. ;)

 

 

HO MALALANAO

 

Toa vao haingana ihany no nahalalako anao

Fotoana fohy ihany hatramin'izao

Nefa tsy nifankafoy nifampiankin-doha

Mpinamana mahafatra-po

 

Na ny manodidina aza efa mananihany

Indraindray toa mahatonga saina ihany

Hoe izay misy anao dia tiako hisy ahy hatrany

Tsy mahafoy anao, marina izany

 

Fa efa zatra anao, zatra miaraka aminao

Efa zatra namanao

Ka ny ho malalanao, io indray no mba iriko

Ka ho malalako amin'izay no iantsoako anao

 

Mierikerika foana raha vao mandeha irery

Mitady anao sao lahy mba eny ho eny

Na ny nofiko aza rehefa matory

Raha vao tsisy anao dia manorisory

 

Rehefa iny ao oriory tsy mety izay atao

Misava avokoa raha vao antsoinao

Reo oram-pifaliana indray no hahatsapana

Fa tsy feno mihitsy raha vao tsy eo ianao

 

Fa efa zatra anao, zatra miaraka aminao

Efa zatra namanao

Ka ny ho malalanao, io indray no mba iriko

Ka ho malalako amin'izay no iantsoako anao

 

nary - 'Zay (IX 07)

 

 

Tonony fotsiny aloha fa mbola tsy nivoaka ny raki-kira.

NO PIRATE. Mdr ;)